Actualités

Fitsarana ny Maitre Olala Mety hofoanana


  • Alarobia 29 Mey 2019

Ny 31 jona izao no tokony hivaly ny fitsarana natao tao amin’ny fitsarana ambaratonga faharoa tetsy Anosy ny 23 jona teo mikasika ny raharaha Maitre Olala na ny mpisolovava Willy Razafinjatovo, raha tsy misy indray ny fiovana.

 

 

Raha tsiahivina, namoahan’ny holafitry ny mpisolovava didy tsy ahafahany miasa mandritry ny 2 taona ity mpisolovava ity ny volana jolay 2018 rehefa nivaly ireo fitarainana miisa 4 mikasika azy, 7 volana lasa izay. Nampakatra ny raharaha tamin’ny “cours d’appel” aho, hoy izy, vokatr’izany ary dia isan’ny fanazavana nentina nanoloana ny fitsarana ny alakamisy teo moa ny antony nitakiany hanafoanana ny fitsarana nataon’ny olafitra taminy. Avy amin’ny mpifanandrina tamin’ny olona narovany ny 3 tamin’ireo fitarainana azy tamin’izany ary dia nanazava izy fa asany amin’ny maha mpisolovava azy no miaro ny olona arovany. Lojika izany. Mikasika ilay fitarainana fahaefatra farany izay nilazan’ny filohan’ny olafitra tamin’izany ho fanalam-baraka kosa, hoy izy, ary nilazako fa tsy mahay ny asany io olona io satria toy ny miandry omby fa tsy  manao asa fiarovana dia satria ny mpisolovava dia natao hiaro fa tsy hiandany amin’ny mpifanandrina. Naveriko taminy tamin’izay fa mampalahelo ahy ny olona mamonjy ity Batonier (filohan’ny olafitra) ity. Izy ihany moa tamin’izay no sady nitsara no nitory ary tsy mpitsara matihanina no namoaka ilay didy fampiatoana fa ireo mpikamban’ny olafitra. Tamin’ny 23 may teo kosa dia mpitsara matihanina ka dia matoky azy ireo aho. Mety ho foanana ny fitsarana tamin’ny 2018 satria sady mpitsara no mpitory no nisy tamin’izany ary tsy nampahafantatra ny zon’ny toriana akory, hoy hatrany ny maitre Olala. Izay rahateo moa no fangatahan’izy ireo raha nampikatra ny raharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT