Hanatanteraka atrikasa (atelier) ny Fikambanana ANJA (Association Nationale Pour La Justice Administrative) na Fikambanana nasionalin’ireo mpitsara ny raharaha momba ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana anio 8 oktobra hatramin’ny 12 oktobra 2018 ho avy izao.
Hifantoka amin’ny fanapahana sy fandaniana ireo tolo-kevitra momba ireo fanovana ny làlana sy ny paikady mifehy ny Fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny Fanjakana (juridiction administrative- Conseil d’Etat, Tribunaux administratifs) « validation des propositions des reformes de la loi 2001-025 du 03 avril 2003 sur le tribunal administratif sur le Tribunal administratif et le Tribunal financier et de la loi 2004-036 du 1er octobre 2004 sur la Cour Suprême ». Eo ihany koa ny fandrafetana sy fampitoviana ny didirakitra (jurisprudence administrative) izay avoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny Fanjakana « harmonisation et alignement de la jurisprudence de la juridiction administrative ». Hisy noho izany ny valandresaka hataon’ny ANJA ho an’ny mpanao gazety anio atoandro eny amin’ny Motel Anosy ho enti-mampahafantatra ny andinindiny feno mikasika ireo rehetra ireo sy ny lafin-javatra hafa mila fantatry ny olom-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.