Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,
hoy ny mpampanoa lalàna eo anivon’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity, atoa Solofohery Razafindrakoto. Nambarany fa mahatratra 70 ireo antontan-taratasy voaray ka ezahin’ny rafitra hotsaraina amin’ity taona ity ireo, hoy izy. Ny 19 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, dia antontan-taratasy 13 no tsy maintsy hotsaraina, izany hoe olona 38 voapanga. Heloka bevava toy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanondranana harem-pirenena sy olona mankany ivelany no jerena sy tsaraina amin’izany, hoy ny fanazavana. Tsy misy kosa ny sazy mihantona omen’ny PAC fa afaka maka mpisolovava ireo voapanga. “Session” valo no mandalo eo anivon’io rafitra io, ka ny voalohany ny 2 septambra ho avy izao ary ny volana oktobra sy desambra kosa ny “session” faharoa. Araka ny fanazavan’ity mpampanoa lalàna ity hatrany, dia efa vonona ny PAC ary voatsara alohan’ny faran’ny taona avokoa ireo antontan-taratasy ireo.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.