Actualités

Fitsarana hitsara ireo manampahefana Tsy hatsangana mihitsy ?


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Tsy mbola ao anatin’ny lahadiniky ny filankevitry ny minisitra mihitsy aloha ny resaka fifidianam-paritra sy fananganana ilay fitsarana avo hitsara ireo manampahefana na haute cour de justice (HJC) araka ny ambaran’ny andininy faha-167 ao amin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4

 

. Vao nohamafisin’ny filoham-pirenena ny sabotsy teo ny momba izany. Na tsy maintsy hatsangana aza ity rafi-pitsarana iray ity dia tsy mbola misy tetiandro mazava hatreto. Misy ihany koa ny rafitra manana solontena ao anatiny no tsy tafantsangana akory dia ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia ary ny tany tan-dalàna. 11 no mpikambana ao amin’ny HCJ izay ahitana ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, ireo filoha 2 ao amin’ny fitsarana mpandrava didy, ireo filoha 2 ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, solontena 2 avy ao amin’ny antenimieram-pirenena, solontena 2 avy ao amin’ny antenimierandoholona, solontena 2 avy amin’ilay filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia ary ny tany tan-dalàna izay mbola tsy tafantsagana, ary ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana tampony izay misolotena ny minisiteran’ny fitsarana. Afaka mitsara ny filoham-pirenena am-perinasa noho ny famadihan-tanindrazana goavana na ny fandikana goavana miverimberina ny lalàmpanorenana ny fitsarana ambony, afaka mitsara ireo lehiben’ny andrim-panjakana rehetra sy ny minisitra rehetra ihany koa noho ny heloka na fandikan-dalàna nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-piasany. Raha izao zava-misy izao anefa dia toa mbola resaka any ankibon’ny omby ny fananganana ny HCJ ary tsy mahamaika ny fitondrana HVM mihitsy satria mbola hafa ny laharam-pahamehana. Ny frankôfônia aloha izao no mahamaika amin’ity taona ity. Raha ho avy anefa ny taona 2017 efa mamofompofona fifidianana dia mety hihemotra hatrany ny fananganana ilay fitsarana manokana ka mba milamindamin-tsaina indray aloha ireo manampahefana be vinany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT