Actualités

Fitsarana Hitokona ireo mpiraki-draharaha


  • Talata 05 Aprily 2016

Hanatanteraka fitokonana faobe avokoa indray manomboka ny alatsinainy 11 aprily ho avy izao ireo sendikan’ny mpiraki-draharah

 

a manerana ny nosy raha toa ka tsy misy ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana mikasika ny famaliana ny fangatahan’izy ireo. Efa nisy hatrany ny fihaonana teo amin’ny roa tonta saingy tsy nisy valiny izany hatramin’izao, raha araka ny fanazavan’ny solontenan’izy ireo nefa manam-bola ihany ny fanjakana raha ny fahitana azy. Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa tsy miady amin’ny vahoaka ny sendika. Hisy hatrany ny « service minimum » toy ny fikarakarana ny casier judiciaire, karazana taratasy tena ilain’ny olona tokoa amin’izao fotoana izao,  ny famoahana olona eny am-ponja saingy hatsahatr’izy ireo tanteraka kosa ny fanaovana fanadihadiana vaovao toy ny fandefasana olona hiditra vonjimaika any am-ponja sy ny fanatrehana raharaham-pitsarana. Tsiahivina moa fa  ilay tohin’ilay tolona nataon’izy ireo tamin’ny fitokonana teo aloha ihany no hotakiany  mandritra izao fitokonana kasainy hatao amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Anisan’ireny ny fampiakarana ny mari-bola tokony horaisiny amin’ireo karazana tombontsoa tokony ho azony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT