Actualités

Fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Jean Eric Rakotoarisoa no filoha vaovao.


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

Fantatra nandritra ny fivoriana mihiboka nataon’ireo mpikambana avy eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana omaly fa dia Atoa Jean Eric Rakotoarisoa no lany ho filoha vaovao eo anivon’ity andrim-panjakana ity.

Ireo mpikambana miisa sivy  ao amin’ity andrim-panjakana ity no niaraka nivory ary nanao ny fifidianana. Araka izany dia mpikambana miisa fito tamin’izy ireo no nifidy an’Atoa Eric Rakotoarisoa, feno izany ny fetra isa ahafahana mifidy ka dia lany ny tenany. Nilaza izy fa avy hatrany dia hanantanteraka ny asa nampiandraiketina azy ireo  ny mpikambana ka laharam-pahamehana ny fanitsiana ny fitsipika anatiny mifehy  ity andrim-panjakana ity  satria  fitsipika efa tamin’ny taona 1990 no mbola miasa ao hatramin’izao. Tanjona, hoy izy ny hahafahana manao ny asa nampiandraiketina azy ireo an-tsakany sy an-davany. Alefa eny  amin’ny fiadidiana ny repoblika moa izao fanampahan-kevitra izao ary ny filoham-pirenena no mamoaka didy amin’ny fomba ofisialy  manendry azy ho amin’izany toerana izany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT