Actualités

Fitsarana any Toamasina Afabaraka tanteraka ry Modjiz Hassan mianaka


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Afabaraka tanteraka teo anatrehan’ny fitsarana tao Toamasina, Atoa Modjiz Hassan sy ny zanany raha nitory tsy nisy porofo mazava ilay olona nolazainy fa nikasi-tanana sy nanompa azy nandritra ny fotoam-bavaky ry zareo, volana maromaro lasa izay.

 

 

Ankoatra ny fangatahana fanagadrana mivantana nataon’ny mpiaro azy mianaka an’ireto olona tsy manan-tsiny notoriany dia mbola nangataka onitra 50 tapitrisa ariary ihany koa ry zareo noho ny fahavoazana nahazo azy, hono. Nahay namotsipotsitra ny zava-nisy ary nanamafy ny tsy mahafeno ny pitsopitson’ny fametrahana ny fitoriana ireo mpiaro ny voapanga, Me Fara Razakasolo sy Jean Rakotonomenjanahary, ka nandamoka avokoa ireo tetika nataon’ity mpanam-bola mampikolay ny mponin’i Toamasina hatramin’izay ity. Tsapa ankehitriny fa manao ny asany araka ny tokony ho izy tokoa ny tompon’andraikitry ny fitsarana any an-toerana raha ny nambaran’ireo tonga nanatrika ilay raharaha. Tsy ny mpitory ihany akory no tokony hanana ny rariny eo anatrehan’ny fitsarana, hoy izy ireo. Marihina fa mbola maro amin’izao ireo fitarainana ataon’ny olona mahakasika an’io karana sy ny zanany voalaza ery ambony io, ka andrasan’ny rehetra ny tohiny ahafahana manafay ny tsimatimanota. 

Ntsoavina Evariste

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT