Nandalo teny amin’ny fampanoavana – fitsarana Anosy omaly tolakandro ny mpanao gazety roa avy eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, noho ny fitoriana napetrak’olona taorian’ny famoahana lahatsoratra ny 25 septambra 2014 momba ny zazarano nisy nanary tao anaty dabam-pako teny Andraisoro
Tsy misy heloka azo iampangana ireo mpanao gazety, hoy ny mpitsara nanao ny famotorana io omaly io, tsy mitombina ny fiampangana nataon’ny mpitory izay nilaza fa nanala-baraka azy ny gazety, satria nitatitra ny zava-misy marina sy araka ny hita maso teny amin’ny fokontany Andraisoro ny mpanao gazety fa tsy sanatria namorona na nandainga tsy akory. Tsara homarihana moa fa nisy kara-panondro hita niaraka tamin’ilay zazarano tao anaty sachet nariana teny amin’ny dapam-pako. Ny tompon’ny kara-panondro no nitory, ary fitoriana olon-tsy fantatra (plainte contre X) no nataony, ka anisan’ny nohadihadian’ny polisy sy ny fitsarana tamin’izany ny mpanao gazety teto amin’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.