Actualités

Fitsarana an-tampony Ho afa-bela ve i Andry Rajoelina ?


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Betsaka ny fanontaniana mipetraka eo anivon’ny fiarahamonina mahakasika ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina, indrindra mahakasika ireo raharaha nahavoarohirohy azy izay mipetraka eo anivon’ny Fitsarana an-tampony (HCJ).

 

Raha tsy olo-panjakana mantsy ny tenany dia fitsarana tsotra no mitsara azy. Mahakasika ny fahabangan’ny komisiona parlemantera indray dia tsy mandringa ny HCJ. Marihana fa rafitra maro samihafa no mandrafitra azy ao ary ny mpitarika azy dia ny lehiben’ ny fitsarana fandravana, izany hoe raha tsy ao ny olana anankiray dia feno foana ny isa takian’ny lalàna hahafahany miasa ka tsy manova zavatra firy. Nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny mantsy dia nilaza i Andry Rajoelina fa hanaja ny fahaleovantenan’ny Fitsarara ary tsy hitsabaka amin’ireo raharaha mandeha eo anivon’ny HCJ. Hanaja ny lalàmpanorenana ve ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT