Actualités

Fitsaram-bahoaka mirongatra Vokatry ny 2009, hoy Rakotovazaha Olivier


  • Alarobia 12 Aprily 2017

Lasa kolontsaina eto amintsika ny fitsaram-bahoaka izay niainga tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nitranga tamin’ny taona 2009,

hoy ny filohan’ny komisionina momba ny lalàna sady loholona, Rakotovazaha Olivier, raha nanazava ny fahitany io toe-draharaha io tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha omaly. Fitsaram-bahoaka no nandorana ny RNM sy ny TVM, fitsaram-bahoaka ihany koa no nandorana ireo orinasa marobe ka nahafatesana olona maro tamin’ny fotoan’androny. Efa tsy neken’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ny hoe fitsarana tsy nandalo teo aminy tamin’ny fotoan’androny, hoy izy, ary tsy vao haingana no nisy fitsaram-bahoaka teto fa ny taona 2009 no tena nitaiza azy. Ny vahaolana dia ny miatrika ny vokany, izany hoe, mitady izay azo ialana mba hiverenana amin’ny tany tan-dalàna. Rehefa tsy manaja lalàna, na ny tribonaly aza dia fitsaram-bahoaka no dikany.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT