Actualités

Fitsaram-bahoaka mirongatra Misy ambadika politika ?


  • Talata 08 Novambra 2016

Matetika ny minisi-panjakana, Narson Rafidimanana sy ny filoham-pirenena,

Hery Rajaonarimampianina no toy ny mifandiso hatrany isaky izay maneho hevitra mikasika ny fandraisana ireo fihaonana iraisam-pirenena notontosaina sy mbola hotontosaina eto amintsika ary na dia efa niharan’ny tsikera matetika aza dia mbola namerina ihany. Volana vitsy lasa izay, nilaza tamin’ny haino aman-jery ity minisitra ity fa efa tomombana 90% ny fanomanana ny Comesa ary 60% kosa ny frankofonia. Ny alin’iny ihany dia nanambara ny filoham-pirenena tao amin’ny fahitalavitra iraisam-pirenena iray fa efa tomombana tanteraka ny zavatra rehetra. Taty aoriana moa dia nisy iny fibetrohan’ny talen’ny kabinetran’ny filoha ny minisi-panjakana. Amin’izao fotoana dia mbola feno kilavadavaka ny ankamaroan’ireo arabe manerana an’Antananarivo. Anisan’izany, ohatra, iny mandalo an’Andrainarivo miakatra any Fort Duchesne iny noho ny fisian’ny tetikasa fanamboaran-dalana hitsenana ity fihaonambe ity.

Tsy mbola mirotsaka ny orana

Mahagaga ihany koa ny tsy mbola fisian’ny rotsak’orana hatramin’izao kanefa dia isan-taona saika nosintonin’ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama hatrany izany rehefa tsy mety hilatsaka. Ireo mpandinika dia efa maro no nilaza fa raha ny teknika fanamboarana ireo lalana dia ahiana mafy ny tsy ahatantesan’izany rotsak’orana. Mety ho ampahany ihany ireo fa ny vokany aloha dia toy ny volena mihitsy ireo karazana fitsaram-bahoaka etsy sy eroa mba ahitan’ny sehatra iraisam-pirenena fa manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana eto ary tsy hampilamina velively ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Toy ny fanamafisana io voalaza io ihany koa ny fivoizana vaovao manerana izao tontolo izao sahady fa tsy mianatra ny mpianatra mandritr’io fihaonana an-tampony io.   

Faralahimatoa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT