Nifoha tamin’ny torimasony ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Beni Xavier Rasolofonirina, rehefa tsy hita sy tsy nandrenesam-peo manoloana ny raharaha mafana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.
Naneho ny heviny momba ny resaka fitsaram-bahoaka izay efa zary fomba raiki-tapisaka eto amin’ny firenena izy omaly. Tsy toe-tsaina ary tsy fahendrena nolovaintsika tamin’ireo razambe ny fitsaram-bahoaka. Izay rehetra tompon-kevitra sy nanatanteraka fitsaram-bahoaka dia melohin’ny lalàna sy henjehin’ny fitsarana na ny nanatanteraka na ny naniraka. Manoloana ny herisetran’ny mpitandro ny filaminana kosa, dia nilaza izy fa Malagasy iray ray iray reny isika, ka mamy ny aina, ny hery tsy mahaleo ny fanahy ary ny fanahy no maha olona, ka aoka isika ho tena tandroka aron’ny vozona manoloana ireo olom-pirenena Malagasy iray razana amintsika, ka tandremana ny zavatra mety handatsaka aina ary hitodihana ny fifankatiavana sy fifamelana mba hoenti-mpampandroso ny tanindrazana. Ny mahagaga sy mahatalanjona, dia tsy mba hita niteny ity tompon’andraikitra ity manoloana ny zava-nisy tany Antsakabary Befandriana Avaratra, fa nipirina tanteraka. Amin’ny fotoana mahamay toy ireny anefa no ilana ny fanazavana sy ny hevitry ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, na dia tsy tena izy aza no voakasika mivantana. Maro no mahatsapa fa tsy mahavita ny adidiny ny mpitandro ny filaminana eto amintsika, ka tokony hametra-pialana ny lehibe isan-tokony. Tsikaritra ho miezaka mandamindamin-dresaka ity tompon’andraikitra ity manoloana ny zava-doza tsy roa aman-tany miseho eto amin’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.