Actualités

Fitsaram-bahoaka 4 indray no maty tany Sambava


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Nanamarika ity herinandro ity ny fitsaram-bahoaka saika nanerana an’i Madagasikara. Tsy mbola lefy laza ny tany Mananjary nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady.

Tsy mbola afaka an-tsain’ny maro ny famonoana sy fandorana dahalo miisa 11 tany Betafo. Izao indray dia fantatra fa mpangalatra lavanila miisa 9 no tratran’izay fitsaram-bahoaka izay tany Ambohangibe Sambava ka ny 4 no namoy ny ainy. Tratra ambodiomby izy ireo ka nanamparan’ny olona ny hatezerany tsy nilany mpitandro ny filaminana. Tena efa zary lamaody ny fanaovana ity zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalàna ity tato ho ato. Ny Malagasy ve no efa mivadika biby sa ny hasarotan’ny fiainana no manova ny fiarahamonina ka zara aza misy hamaharana sy hanalana sorisorim-piainana ka manaotao foana ? Aiza ny mpitondra fanjakana ? Sa vita fotsiny amin’ny fanambarana hoe manameloka ireny fitsaram-bahoaka ireny ny resaka dia vitavita ho azy ny raharaha ? Tena efa loza mihatra eo amin’ny fiarahamonina ny zava-misy fa tsy mba loza mitatao intsony ka ilana fandraisana andraikitra hentitra sy matotra mba tsy hiitarany amin’ny zavatra hafa.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT