Tsy mitsahatra ny fikarohana ataon’ireo manampahaizana eto amintsika entina hanatsarana sy handraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka.
Efa misy amin’ireo profesora ambony eto amintsika mantsy, indrindra fa ireo manampahaizana amin’ny aretin’ny hozatra sy mpandidy, no mampiditra ny fomba fitsaboana maoderna Sinoa miaraka amin’ny fitsaboana efa nisy hatramin’izay hahafahana manatsara hatrany ity sehatra iray ity. Anisan’izany ny famelomana indray ireo hozatra tsy afaka miasa ara-dalàna intsony manerana ny vatan’olombelona… Mampianatra amina toerana maro samihafa ihany koa ireto profesora ireto. Anisan’ny hampitan’izy ireo ny fahalalany, ohatra, ny sekoly ambony Image Appli izay nampianatra momba ny fitantanana sy ny fandraharahana teo aloha ary efa miditra tanteraka amin’ny fampianarana momba ny fitsaboana eto amintsika. Eo am-panaovana fangatahana amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony ny mba hahafahan’ireo mpianatra ao aminy mianatra asa eny anivon’ireny hopitalim-panjakana ireny izy ireo amin’izao fotoana izao raha efa eo am-pelatanany kosa ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana. Mikasika izay sekoly ambony nahazo fankatoavana izay moa dia fantatra fa vao 96 amin’ireo sekoly ambony miisa 1600 mijoro eto amintsika ihany no nahazo izany hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.