Actualités

Fitsaboana nentim-paharazana Nodinihina teny Mahazoarivo


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Manomboka hanana ny toerany ara-dalàna eto Madagasikara ny fitsaboana nentim-paharazana.

 

 Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta omaly mantsy ny didim-panjakana roa momba izany. Ny voalohany dia ny fandaminana ny fikirakirana ireo fanafody azo avy amin’ny zava-maniry eto Madagasikara, izay eo ambany fiahian’ny « Direction de la Pharmacie, des Laboratoires et de la Médecine Traditionnelle » ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Ny faharoa kosa dia mahakasika ny famaritana ny asan’ny mpitsabo nentim-paharazana na « Tradipraticien de Santé à Madagascar ». Hampazava kokoa ny toeran’ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara ity fanapahan-kevitra ity satria tsy maintsy atao araka ny lalàna velona ny zava-drehetra. Andrasana ihany koa ny fanazavana misimisy kokoa avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT