Anio no mifarana ny dia ataon’ny avy ao anivon’ny sambo MERCY SHIPS etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Anosy. Tsiahivina fa ny fitsaboana maso no nifantohan’izy ireo nandritra izay telo andro nisesy izay. Raha ny nambaran’ny dokotera mpandidy maso avy any Togo Dr Wodome Abraham miasa eo anivon’ny sambo M.S dia olona miisa arivo no ezahin’izy ireo hotsaboina maso katarakta mandritra ny fitetezam-paritra izay ho atao
Anio no mifarana ny dia ataon’ny avy ao anivon’ny sambo MERCY SHIPS etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Anosy. Tsiahivina fa ny fitsaboana maso no nifantohan’izy ireo nandritra izay telo andro nisesy izay. Raha ny nambaran’ny dokotera mpandidy maso avy any Togo Dr Wodome Abraham miasa eo anivon’ny sambo M.S dia olona miisa arivo no ezahin’izy ireo hotsaboina maso katarakta mandritra ny fitetezam-paritra izay ho atao. Nomarihin-dRtoa Juliana Ratovoson mpikarakara, fa ny fizahana ihany no atao eto Antananarivo fa ny fandidiana ireo olona dia atao any Toamasina misy ny fiantsonan’ny sambo Africa Mercy. Araka izany dia midina any an-toerana avokoa ireo olona vita fizahana tetsy Anosy ka ny M.S no mandray an-tanana sy manontolo ny fivahinianan’ireo olona tonga hitsabo tena any Toamasina. Hisy ihany koa ny fizarana solomaso maimaimpoana ho an’ireo olona izay tsy maintsy mila izany. Aorian’Antananarivo moa dia ho any Soanierana Ivongo ny fikambanana ny 29 sy 30 ny volana janoary ary any Fenoarivo Atsinanana ny 10 sy 11 volana febroary ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.