Actualités

Fitsaboana maoderna Sinoa sy ny fitsaboana tsotra Azo ampiarahana tsara


  • Talata 04 Oktobra 2016

Tsy mitsahatra ny fikarohana ataon’ireo manampahaizana eto amintsika entina hanatsarana sy handraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka

 

. Efa misy amin’ireo profesora ambony eto mantsy, indrindra ireo manampahaizana amin’ny aretin’ny hozatra sy mpandidy no mampiditra ny fomba fitsaboana maoderna Sinoa miaraka amin’ny fitsaboana efa nisy hatramin’izay hahafahana manatsara hatrany ity sehatra iray ity. Anisan’izany ny famelomana indray ireo hozatra tsy afaka miasa ara-dalàna intsony manerana ny vatan’olombelona. Mampianatra amina toerana maro samihafa ihany koa ireto profesora ireto. Anisan’ny  hampitan’izy ireo ny fahalalany, ohatra, ny sekoly  ambony Image Appli izay nampianatra momba ny fitantanana sy ny fandraharahana teo aloha ary  efa miditra tanteraka amin’ny fampianarana momba ny fitsaboana eto amintsika ihany koa. Eo am-panaovana fangatahana amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony ny mba hahafahan’ireo mpianatra ao aminy mianatra asa eny anivon’ireny hopitalim-panjakana ireny izy ireo amin’izao fotoana izao raha efa eo am-pelatanany kosa ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana. Mikasika izay sekoly ambony nahazo fankatoavana izay moa dia fantatra fa vao 96 amin’ireo sekoly ambony miisa 1 600 mijoro eto amintsika ihany no nahazo izany hatreto.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT