Actualités

Fitsaboana fanarenana ara-batana Vitsy ireo mpisehatra


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanatanteraka ny kaongresy faha-11 tetsy amin’ny St Michel Amparibe tao anatin’ny 11 taona nisiany ny fikambanan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanarenana ara-batana na Akima.

 

Tsapa ho lesoka, hoy ny filohan’ny fikambanana, Harisoa Faralanto, ny tsy fahampian’ireo mpiantsehatra. Maro anefa ireo olona raisina ary maha tsy tomombana ny lafiny serasera izany, na eo amin’ny samy mpiantsehatra aza. Samy nianatra teny anivon’ny anjerimanontolo ny “Kinésithérapeute” ary misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Miisa 300 eo monja hatreto ireo nivoaka tamin’ny toeram-pampianarana ary ny 100 eo ihany no mpikamban’ny Akima, raha ny fanazavana. Ity fikambanana ity anefa, raha ny fanamarihana, no hany solontenan’i Madagasikara maneran-tany. Mikasika ireo mpisandoka moa dia nilaza ny filoha fa efa nangataka ny hametrahana lalàna mifehy ity resaka fanarenana ara-batana ity izy ireo satria ny mpisandoka tsy mahafehy izany. Anisan’ny tombony amin’ity fomba fitsaboana ity moa raha ny fanazavana ny fisorohana ny aretina sy fahasembanana. Amin’ny alalan’ny hetsika sy otra kosa no hanaovana azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT