Actualités

Fitrandrahana volamena Tsy mila Sinoa ny ao Soamahamanina


  • Zoma 05 Febroary 2016

Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy ny mponina ao Soamahamanina, PK 66 amin’ny lalam-pirenena voalohany, Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy omaly.

 

 Manohitra ny nanomezan’ny fanjakana Rajaonarimampianina orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL fahazoan-dalana hitrandraka volamena ao Soamahamanina ny mponina ao an-toerana. 

Nidina an-dalambe, manamorona ny lalam-pirenena voalohany izy ireo omaly sady nilanja sorabaventy teo anoloan’ny Tranompokonolona ho fanoherana izany.

Vakim-paritra miisa 64 no hanatanterahan’ny orinasa ny fitrandrahana hataony, araka ny fahazoan-dalana nomen’ny fanjakana azy tamin’ny novambra 2015 ary hampiasa fitaovana vaventy izy amin’izany. Nohalalahan’ny fitondrana HVM ny fandaharahana volamena nanomboka tamin’ny 2015. Ny vahiny aloha hatreto no tena mitavana izany, fa ny Malagasy teratany mihafy, tsy mahita tombontsoa amin’izany.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT