Actualités

Fitrandrahana volamena Tonga any Sahamadio indray ny Sinoa


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Tetezin’ny Sinoa ireo kaominina ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana, hitsirihana volamena mba hotrandrahina.

Rehefa tsy nahita hirika tao amin’ny kaominina Tsarazaza vokatry ny fanoheran’ny vahoaka ao an-toerana izay notohanan’ny zanaka ampielezana, dia fantatra izao fa nikisaka ao amin’ny kaominina Sahamadio indray izy ireo. Toarian’iny raharaha Tsarazaza iny, dia nidina tany an-toerana ny zanaka ampielezan’ny Distrikan’i Fandriana ny sabotsy teo, nanamafy ny fanoheran’ny fokonolona ny fitrandrahan’ny vahiny ny harena ankibon’ny tany any an-toerana. Ahitana soratra mivandravandra milaza izany manamorona ny lalam-pirenena faha-41 mihazo an’i Fandriana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT