Notsaraina ny 19 oktobra teo ny raharaha nanenjehana ireo olona 24 tamin’ireo olona 56 nosamborina tao Vavatenina, izay nolazaina fa nitrandraka an-tsokosoko vatosoa sy volamena tao anatin’ny ala voaaro ankeniheny-zahamena mandalo ao amin’ny distrikan’i Vavatenina.
Raha namoaka ny didiny ny filohan’ny fitsarana dia olona 4 tamin’izy ireo no migadra mihatra 29 andro, izay hifarana ny 11 novambra ho avy izao miampy lamandy 50.000 ariary isany ihany koa. Ny 18 kosa voasazy am-ponja 10 andro izany hoe efa tapitra omaly zoma ny sazin’izy ireo, nefa mbola eo koa ny lamandy 50.000 ariary avy ho azy ireo koa. Nalefaka ny fitsarana araka ny angom-baovao satria tsy mbola mpitrandraka na nitrandraka ireto olona ireto fa andian’olona vao handeha hitrandraka, noho izany sazy fananarana no nomen’ny fitsarana tsy hanaovan’izy ireo izany. Na izany dia tsy nangina ireto olona voasazy ireto sy ny fianakaviany fa nanizingizina, misy fanaovana mizana tsindrin’ila amin’ity raharaha ity ary misy fampiharana fahefam-panjakana; satria ireo tena mpitrandraka sy nitrandraka izay mifandray tendro amin’ireo manamboninahitra ambonin’ny tafika sy ny zandary eto Antananarivo sy Toamasina ary Fenerivo atsinanana, dia sady tsy nosamborina no mbola nampandosirina ary tsy niakatra fitsarana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.