Ankoatra ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa dia mirongatra koa ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna eto amintsika.
Tanterahina any Marrakech Maraoka nanomboka omaly anefa ny seminera iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo (COP 22) ary inoana fa misy solontena Malagasy any an-toerana, saingy mijanona ho kabary ambony latabatra ny fiarovana ny tontolo iainana ho an’ny mpitondra Malagasy. Mirohotra mankany Antsevabe Didy-Ambatondrazaka, any amin’ny karieran’i Bemainty ny olona ka tsy latsaky ny 70 000 no tafiditra any anaty ala ankoatra ny mpibizina aty ivelany. Fahapotehana tsy roa aman-tany no aterak’izany. Toy ny tanàna maty ny any Ilalaka izay nalaza tamin’ny fisian’ny harena ankibon’ny tany ary manjaka ny tsy fandriampahalemana satria nirona nankany Didy ny ankamaroan’ny olona. Na ireo teratany vahiny izay nandraharaha tany an-toerana aza dia efa samy nandao ity tanàna ity avokoa ka vitsivitsy sisa no tavela kanefa mbola tafihin’ny jiolahy indray noho ny havitsian’ny olona. Minia mangina ny fanjakana mba tsy hisian’ny fitroaran’ny olona izay mety hanakorontana ny fandraisana ny frankofonia ka avela hanjaka ny gaboraraka na hita izao aza fa fahapotehana tsy roa aman-tany no aterany ankoatra ny tsy fandriampahalemana. Ambara ankehitriny fa mila vola sy fitaovana ny fanalana ireo olona marobe any Didy. Ny tamberim-bidy ho an’ny toerana nisian’ny fitrandrahana kosa tsy misy resaka noho ilay fitrandrahana tsy manara-dalàna. Fanjakana tsy masi-mandidy sy tsy mahafehy vahoaka ary matahotra ny hirodana rahateo no eto ka tsy sahy mandray ny andraikitra tandrify azy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.