Actualités

Fitrandrahana ny harem-pirenena Fanina hatramin’ny manampahaizana


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Resabe teo aloha teo ny mikasika ilay hoe 1% amin’ny tombony amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ireo vahiny ihany no anjaran’ny fanjakana malagasy.

 

 Niezaka nandiso iny filazana iny ireo tompon’andraikitra amin’ireo orinasa mpisehatra amin’izy io taorian’ireny toe-draharaha nivaivay toy ny tany Soamahamanina ireny. Nanazava tamin’izay fotoana izay ry zareo avy eo anivon’ny orinasa Ambatovy fa ankoatra ireo fotodrafitrasa apetrak’ilay orinasa mpitrandraka ao amin’ilay toeram-pitrandrahana dia 42 eo ho eo ihany koa ny hetra alain’ny fanjakana amin’ireo orinasa mpitrandraka rehetra na teratany na vahiny. Efa tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa no fantatra fa na dia hatramin’ireo injeniera manampahaizana manokana momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany aza dia miaiky fa tsy ampy ny fifaneraserana eo amin’ireo mpisehatra amin’ity fitrandrahana ity sy ny minisitera tompon’andraikitra na ny mpitondra.

Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana

 Zava-dehibe amin’ny fampandrosoam-pirenena nefa, hoy izy ireo, ny fahalavorarian’io. Na dia efa nanao ezaka aza ny avy eo anivon’ny minisitera, raha ny filazany, tamin’ny fametrahana birao misahana ny fandraharahana eo amin’izy ity tany amin’ireo faritra heverina ho mila izany, toa an’i Manakara sy Ambatondrazaka, dia hita fa mbola misy lesoka ihany ka mahatonga fitrandrahana tsy ara-dalàna matetika. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny zava-mitranga eo amin’ny resaka fitrandrahana harena any amorontsiraka satria raha ny fanazavan’ny komitim-pirenena misahana ny morontsiraka dia tsy mbola laharam-pahamehana ny fitrandrahana harena voajanahary any amin’ireo morontsirantsika na dia any aza no itoeran’ny 65%-n’izany harena izany. Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fototry ny fampandrosoana eto amintsika izay fitrandrahana ny morontsiraka izay sady tsy mbola misy ihany koa ny fitrandrahana ireo harena samihafa ka dia manao izay saim-pantany ihany koa ireo mpitrandraka. Nomarihin’ity komity ity moa fa ny morontsiraka no be mponina indrindra eto amintsika.

Mirija     

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT