Actualités

Fitrandrahana mila sorona ao Mahereza Fampihorohoroana vahoaka, hoy ny ben’ny tanàna


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Mampalahelo ny zava-misy ao amin’ny kaominina izay hiadidiako, hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahereza, Jhonny Rakotoarisoa.

 

 

 Resaka disadisa politika sy hevitra politika tsy mitovy dia lasa ifandotoana. Tsy mila 2 na 3 andro vao tonga ao amin’ny kaominin’i Mahereza fa lalana vita ora iray sy sasany io ka raha te hanamarina ny zava-misy dia aoka hidina any an-toerana mialoha ny hitaterana zavatra tsy mitombina. Fitrandrahana malao na “granite”, hoy hatrany ny tenany, no misy ao an-toerana. Aiza moa no hisy kaominina tsy hisy fitrandrahana malao fanaovana lalana sy trano ? Tsy marina, hoy izy, ny filazana fa safira sy volamena ary merkiora no ao. Fampihorohoroana vahoaka koa ny filazana fa mila sorona ilay orinasa mpitrandraka. Omby nanaovana nofon-kena mitam-pihavanana no novonoina nandritry ny fifanarahana ary ilay orinasa nanao ny lalana RN1 mampitohy amin’Arivonimamo ihany no mitrandraka ao satria mila ny vato ao Mahereza izy. Fifanarahana tamin’ny eny ifotony rahateo no natao mba hahazoan’ny eny ifotony asa fivelomana, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT