Zary lasa ady hevitra tsy mitondra mankaiza sisa no misy noho ny tsy fisian’ny paikady mazava hoenti-mitantana sy mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.
Anton-javatra maro no mahatonga izany: lalàna tsy mazava amin’ny mipetraka sy tsy mazava, tsy fananan’ny Malagasy fitaovana, tsy fahafehezana ny haitao. Na ny fanaraha-maso ireo orinasa vahiny aza tsy haintsika noho ny tsy fisian’ny fitaovana ka zary raofin’ny vahiny fotsiny ny harena toy ny ataon’ny orinasa “Shérit” sy ny orinasa Ambatovy izay mampiasa fantsona goavana, ka lasany avokoa rehefa harena an-kibon’ny tany, hoy Sata Ranaivo, avy amin’ny Fikambanana Asandratro ny fireneko. Azo atao ny miantso sy manarama manam-pahaizana vahiny hanofana antsika fa tsy ny orinasany no entiny eto. Maro amin’ny tanora Malagasy no tsy an’asa izay azo hofanina tsara amin’izany sehatra izany ary afaka miroso tsikelikely amin’ny fividianana teknolojia isika aorian’izay.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.