Fitrandrahana voaaro
Tsikaritry ny mponina any an-toerana anefa taorian’izay ny fisian’ireo fitaovana vaventy mitrandraka mandritra ny alina, eo anelanelan’ny amin’ny 9 ora alina ka hatrany amin’ny 3 maraina any ka mpiasa maromaro no misahana izany
Ankoatra izay dia tokony ho tapitra rahampitso 12 desambra 2014 ilay fe-potoana fanakatonana vonjimaika ilay toeram-pitrandrahana. Re indray anefa izao fa mbola hohalavain’ny mpitondra roa volana izany ary nohatevenina mihitsy ny mpitandro ny filaminana nalefa any Mangarano fa mbola misy alamina, hono. Mody nanaovana sinema mihitsy aza teo aloha teo fa hoe misy manafika tao amin’ity toeram-pitrandrahana ity ary nisy poa-basy na tsy nisy naratra na maty aza, fa nentina mba hanamarinana ny fampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana nalefa any. Ao raha !
Any Tsiafabositra, Distrikan’i Maevatanana, faritra Betsiboka indray dia re koa izao fa handefasana andiana mpitandro ny filaminana ato ho ato. Hametraka fandriampahalemana amin’iny faritra iny no iraka hampanaovina azy ireo. Etsy an-kilan’izay anefa dia misy manamboninahitra ambony mitady mpandraharaha mpampiasa vola handray ny volamena vokatra avy any. F’angaha hisy “findrandrahana voaaro” ihany koa hatao any amin’iny toerana iny ? Santionan’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ihany ireo. Manjaka ny didin’ny besandry. Ny vahoaka amin’io mahantra andro aman’alina !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.