Actualités

Fitrandrahana fasimainty Mampiahiahy ny fanjakana ny QMM


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Misy mampiahiahy ve ny fitrandrahana ataon’ny orinasa QMM ao Tolagnaro sa inona no tena tian’ny fanjakana hahatongavana ?

 

 

 Fantatra nandritra ny filankevtry ny minisitra omaly mantsy fa mangataka ny hanaovana tsirika manokana ny kaonty sy ny fampiasam-bola ary ny fitantanana eo anivon’ny QMM ny fanjakana Malagasy  izay manana petrabola 20% ao anatin’ity orinasa ity araka ny fifanarahana natao tamin’ny taona 1998. Hatao izany mba hahafantarana ny vokatry ny fitrandrahana sy ny tombontsoa nentin’ny orinasa teto amin’ny firenena ary ny vokatra azo nandritra ny 21 taona niasany teto, raha araka ny fampitam-baovao ofisialy. Nitondra ny tatitra sy nampahafantatra ny fizotran’ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa an’i RIO TINTO  eto amintsika ity moa ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika omaly, izay midika fa efa nisy fanadihadiana nataon’ny fanjakana mialoha. Fasimainty no trandrahan’ny Quit Madagascar Minerals (QMM) ary anisan’ny tao anatin’ny bokin’andraikiny ny fanorenana ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro izay anisan’ny lehibe indrindra aty Afrika. Mampiasa olona mivantana miisa 500 ankehitriny QMM ary miara-miasa amina olona 1000 hafa ihany koa. Fantatra araka ny angom-baovao natao fa efa ho 3 volana teo ho eo izay no nanao don-tandroka tamin’ity orinasa ity sy nangataka fanazavana maromaro ny fitondram-panjakana. Mbola tantara mitohy…


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT