Vaky ambatolampy ankehitriny ireo endrika fanararaotana isan-karazany mianjady amin’ireo mpitrandraka madinika ao
Beparasy-Moramanga ankoatra ny gaboraraka manodidina ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany vao nisokatra ao an-toerana ny volana martsa 2016 lasa teo ity. Karazam-bato antsoina hoe “corindon” no betsaka ao an-toerana. Araka ny fanazavan’ny mpitrandraka dia raha mahazo 3kg ny mpitrandraka iray, dia lazain’ireo andian’olona milaza ho tompon’ny kariera sy mifehy ity toerana ity, fa ny 1kg amin’io an’ny Fanjakana nefa izy ireo ihany no maka azy. Avy eo indray miampy antsasa-kilao ho tamberimbidy an’ny Kaominina nefa mbola ireo andian’olona milaza ho tompon’ny kariera ihany koa no maka an’io. Ny 1,5kg sisa no an’ilay mpitrandraka, amin’izay indray dia tsy maintsy amidy amin’ireo andian’olona mpifehy ireo ihany ary amin’ny vidiny morabe. Tsy manan-tsafidy izahay, hoy ireo mpitrandraka fa tsy maintsy mizaka, sitrany ahay vola.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.