Actualités

Fitrandrahana ataon'ny Madagascar Oil Mandeha ny fanadihadiana momba ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Sambany no hisy fitrandrahana solika eto Madagasikara. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ny antontan-taratasy fangatahana nataon'ny orinasa Madagascar oil amin'izao fotoana izay miantefa manokana any amin'ny Faritra Menabe sy Melaky.

 

  Hiarahany amin'ny ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana io fanadihadiana io ary mbola hakany ny hevitry ny olon-drehetra etsy amin'ny tranompokonolona Analakely ny 15 oktobra ho avy izao. Ankoatra ny fampandrosoana eto amin'ny firenena izay handrandrain'ny maro  ho azo avy amin'ny fitrandrahana tahaka izao mantsy dia tsy maintsy jerena ihany koa ny fiantraikan'izany amin'ny tontolo iainana mba hitera-bokatsoa ho an'ny rehetra. Araka ny fantatra dia anisan'ny olan'ny mponina eny ifotony   ny rano fisotro madio, ny kijana hiraofan'ny omby ... Avy amin'ny alalan'io fakana ny hevitry ny rehetra io no hamaritana ny ahiahin'ny mponina ka hakana fehin-kevitra hahafahana manao bokim-pitantanana momba ny tontolo iainana ho an'ity tetikasa iray ity. Marihina moa fa solika 1,7 miliara barila no azo avoaka ao Tsimiroro, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ho an'ny solika mavesatra indray dia ny foibe mpamatsy herinaratra etsy Mandroseza no handray izany voalohany fa tsy mbola haondrana aloha.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT