Actualités

Fitrandrahana ao Soamahamanina Tsy mbola nilavo lefona ny Sinoa


  • Talata 11 Oktobra 2016

Mbola tsy tena nilavo lefona ka hamela tanteraka ny fitrandrahana ao Soamahamanina ny orinasa Sinoa Jiuxing Mines izay nanaisotra ny fitaovany aloha hatreto

 

. Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vahaolana atolotry ny fanjakana izy ireo ary mikaroka izay mety ho marimaritra iraisana amin’ny mponina any an-toerana. Ambaran’ny eo anivon’ny seraseran’ny orinasa rahateo fa vonona hitondra fampandrosoana any an-toerana toy ny fanamboaran-dàlana, famatsiana herinaratra, fananganana tobim-pahasalamana ny Sinoa mba ho setrin’ny fahazoana mitrandraka. Isan’ny nanamafy ny tsy mbola fisitahana tanteraka ny Pr James Ratsimba omaly ka nilaza fa tsy mahatoky tanteraka ny fialan’ny Sinoa tao Soamahamanina ny tenany. Mety efa nisy fifanarahana ambadika natao tamin’ny « mafia » izao zava-misy izao, hoy izy. Tondroiny ho mety nohararaotin’ny mpanani-bohitra mbola te hanjanaka ihany koa ny zava-misy ka namendrofendroan’izy ireo ny mpitondra tamin’ny filazana hoe jereo ny Sinoa mangorona ny taninareo ary izy ireo indray no hiditra lalina rehefa voahilika ny sinoa ka isan’ny himasoana aloha ny lafiny politika toy ny fikarakarana fifidianana hametrahany ny olony. Mbola tantara mitohy ny raharaha Soamahamanina ary efa mandeha ny feo fa hiverina hitrandraka ny Sinoa aorian’ny Frankofonia.

 


 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT