Actualités

Fitrandrahana ao Analamay sy Ambatovy Efa vonona ny zanakazo hanoloana ireo simba


  • Alarobia 26 Novambra 2014

“Tsy maintsy haverina tahaka ny nisy teo alohan’ny fitrandrahana ny tahan’ny ala voatery nosimbaina nandritra ny fitrandrahana ataon’ny orinasa Ambatovy ao Analamay sy Ambatovy...”.

Izay no anisan’ny nambaran’ny teo anivon’ny orinasa Ambatovy, mikasika ny hetsika efa ataon’izy ireo ankehitriny amin’ny fanoloana sy famerenana ny tahan’ny ala nosimbany amin’ny fitrandrahana ny nikela sy kobalta mahatratra 1.500ha eo. Efa vonona avokoa ireo zanakazo zanatany izay nalaina tao amin’ireo ala voatery nopotehina amin’ny fitrandrahana ihany ireo efa kolokoloina eo anivon’ny toerana voatokana ao Ampangadiantrandraka distrikan’i Moramanga. Ao ireo “orchidées” miisa 150 karazana izay tsy mbola misy anarana ny 3/4, fa mbola miandry ny fanadihadiana ataon’ny laboratoara any frantsa mahay manokana momba ity zava-maniry ity. Efa vonona ihany koa ireo hazo zanatany maro hita tao anatin’ny ala nisy ny fitrandrahana, sy ireo voan’ny hazo miandry fambolena fotsiny koa. Misy ny fanadihadiana lalina ataon’ireo teknisianina malagasy ao Ambatovy ankehitriny mba haha-aingam-paniry sy hahazoana vokatra ao anatin’ny 10 hatramin’ny 30 taona ireo hazo zanatany miadam-paniry hovolena ireo. Araka ny fanazavana azo dia hanomboka amin’ny taona ho avy 2015 io ny fambolena hatao amin’ireo tany avy notrandrahana ny nikela sy kobalta, ka ny ao Analamay no hanombohana izany. Ankoatra izany, dia mitohy hatrany ny asa sosialy fanaon’Ambatovy amin’ireo tanàna sy kaomininna andalovan’ny asa ataony. Anisan’ny nahazo tombony izao ny tanànan’i Fanovana kaominina Ambatovola, satria sady vita raritany ny lalana tapaka nanomboka tamin’ny taona 1988 mirefy 400m, nahazo tetezana koa izy ireo; ny fokonolona no nanao ny asa ny ambatovy kosa no namatsy fitaovana izay asa natao tao anatin’ny 02 volana. Fokontany mpamboly ka mamokatra sakamalaho sy vary ary tsaramaso an-jatony taona isan-taona izy ireo, ka vahaolana iray ampandrosoana ny fiharin’ny tantsaha ny fahavitan’ny lalana sy tetezana toy izay hoy Atoa Razanadahy Nirina Felicien filohan’ny fokontany ao Fanovana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT