Actualités

Fitrandrahana an-tsokosoko Vatosoa 10 taonina indray saron`ny zandary


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Saron`ny zandary tany Madiokely, kaominina Dabolava, distrika Miandrivazo, faritra Menabe, ny herinandro teo, ny fiara lehibe nitatitra vatosoa milanja 10 taonina avy any Ankiranomena.

 

 

 Rehefa nanatanteraka ny fisavana ny antontan-taratasy fanamarinana ny maha ara-dalàna ny fitaterana ireo tompon’andraikitra, dia hita fa azo avy amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo vatosoa ireo. Ankoatra izay dia nisy ihany koa tsy fahatomombanana hafa hita ka nitarika tamin’ny fanagiazana izany. Nalefan`ny zandary any amin`ny polisy misahana ny harena ankibon`ny tany ny raharaha. Mipetraka hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisin’ny harena ankibon’ny tany amin’ny fanaraha-maso sy fandraisana andraikitra toy izao. Tonga nijery ifotony ireo vatosoa ireo izay nohazomina eo anivon’ny sampandraharaha miandraikitra izany eny Ampandrianomby ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra, ny sabotsy lasa teo. Tsara ny manamarika fa ny endrika fikirakirana harena ankibon’ny tany rehetra tsy nahazoana alalana ara-dalàna na fitrandrahana izany na fitaterana, dia voasazin’ny lalàna.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT