Actualités

Fitotongan’ny harena voajanahary malagasy Mila fanajariana tontolo iainana, hoy ny HEHM


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Cemes Betongolo ny zoma teo ny fitsanganana ara-panjakan’ny rafitra tsy miankina miaro ny tontolo iainana na ONG HEHM.

 

 

 

 Araka ny fampahafantarana nataon’ny filohan’ny fikambanana, Voahirana Rabarimanana, dia 9 mianadahy ry zareo ankehitriny no mpikambana sady nanorina ity fikambanana niforona tamin’ny oktobra teo ity. Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny maha olona, raha aravona, no tena hifantohan’ny fikambanana amin’ny alalan’ny hetsika maro karazana mifandraika amin’izany toy ny fambolen-kazo sy voa fihinam-boa. Anisan’ny vaindohan-draharahan’izy ireo ny fanentanana sahady ireo kilonga madinika mbola mpianatra ho tia zavaboary. Ankoatra ny hetsika fambolen-kazo sy voa fihinam-boa isan-taona dia hampirisihin’izy ireo betsaka ihany koa ny lafiny fiompiana toy ny zana-trondro sy ny fampivoarana ny tontolo Ambanivohitra ary ny fampidirana tsikelikely ny teknolojia mifanaraka amin’izany. Zava-misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy izy ireo, ny fitotongan’ny harena voajanahary ary antony goavana nananganana ny fikambanana ihany koa io sady mbola hiantsoana ny rehetra hiditra ato mba tsy ho ny sinoa sy karana intsony no hanjaka amin’ny harentsika. Faritra miisa 4 hatreto no zakan’ny enti-manan’ny fikambanana hiasana, hoy ny fanazavana, dia Analamanga, Amoron’i Mania sy Marovoay ary Besalampy. Hisy moa ny hetsika natokana ho an’ny ankizy hotontosain’izy ireo eo Betongolo ihany ny 22 ka hatramin’ny 24 desambra izao na irony antsoina hoe “fête foreigne” irony ary hiavaka io ho fankafizan’ny ankizy sahady izany atao hoe tontolo iainana izany, hoy ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT