Mihemotra amin’ny 15 aprily 2016 izao indray ny fotoam-pitsarana ny raharaha nitorian’i Atoa Arlan, dadan’i Arnaud, ilay tovolahy 17 taona nisy naka an-keriny tany Toamasina ireo mpanao gazety avy ao amin’ny fikambanana Matv.
Omaly dia tonga maro teny amin’ny lapan’ny fitsarana ny fianakaviamben’ny mpanao gazety izay notarihin’ny filohan’ny holafitra Rakotonirina Gérard. Tonga teny amin’ny fitsarana ihany koa ireo mpanao gazety sasany avy any amin’ny faritany sy ireo filoha mpitarika fikambanana mpanao gazery samihafa. Tamin’ny lahateny fohy nataony no nisaotra ireo manohana azy ireo na lavitra na akaiky i Fah Andriamanarivo, mpanao gazetin’ny Matv. Anisan’ny nahazo koa ny masoivoho Amerikanina izay nanao lahatsoratra manohana ny mpanao gazety sy ny asa fanaovan-gazety. Raha iverenana kely ny tantara dia notorian’Atoa Arlan, teny amin’ny fitsarana ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpaka an-keriny ny zanany ireto mpanao gazetin’ny Matv ireto. Izy ireo moa dia namoaka lahatsoratra izay nametraka ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny fifandraisan’ny raharaha andramena any Singapour sy ny fakana an-keriny an’i Arnaud. Tantara mitohy…
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.