Actualités

Fitondrantenan’ny polisy Nampitandrina ny minisitra vaovao


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Nanatanteraka fidinana ifotony nihaonany mivantana amin’ireo polisy rehetra eo ambany fifehezany sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny minisitra vaovao ny Controleur General de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys.

 

 Ny teo anivon’ny Hery vonjy taitran’ny Polisy (FIP) Antanimora sy ny Kaomisaria Central eto Antananarivo Renivohitra ary ny teo anivon’ny « Direction Générale » etsy Anosy no notsidihany manokana ny alatsinainy 3 febroary teo. Nantitranteriny fa misy ny adidy sy andraikitra lehibe napetraky ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra tamin’ny polisim-pirenena. Voalohany ny famerenana ny hasim-panjakana amin’ny alalan’ny asa ataony. Nitaky amin’ny FIP ao Antanimora izy mba ho fitaratra amin’ny fomba fiaina, ny fihetsika, fitondran-tena ary ny fitafy. Tao amin’ny Commissariat Central kosa dia mbola nohamafisiny fa adidy mivaingana tsy maintsy atao ny famerenana ny hasin’ny polisim-pirenena. Natao ho azo tsapain-tanana sy miantraika avy hatrany any amin’ny vahoaka ny asan’ny polisy. Nasian-teny ihany koa ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly izay mbola hohamafisina hatrany. Notsindriany manokana ny tsy fisian’ny « corporatisme » nandritra ny fandraisany fitenenana teo anivon’ny « Direction Générale » etsy Anosy. Tsy azo ekena, hoy izy, ny fisiana olona vitsy hanimba ny ezaka efa natao ho fanatsarana ny polisim-pirenena. Ary farany dia homen-danja manokana ny maha olona na ny « valeur humaine ». Mila mahatsapa sy mahazo antoka ny vahoaka fa misy polisy mpiaro sy azo itarainana fa tsy ho biby fampitahorana.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT