Actualités

Fitondrana sy ady amin’ny kolikoly Tsy maharesy lahatra


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Vao niandoha ny fitondrana Rajoelina dia saika nitohivakana ny filazan’ireo mpikamban’ny governemanta fa tsy handeferana na hoe “tolerance zero” ny fisiana kolikoly amin’ireo rafi-panjakana tantanan’izy ireo avy.

 

 

 Antony 4 anefa farafahakeliny, raha ny tombana navoakan’ny fiarahamonim-pirenena Rohy, no azo ilazana ho tsy maharesy lahatra ny finiavan’ny fitondrana hiady amin’ny kolikoly marina. Voalohany aloha dia ny fitarazohan’ny fanapahana mikasika ny lalàna momba ireo harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izay efa nandefasan’izy ireo taratasy misokatra tamin’ny filoham-pirenena Malagasy ny volana mey 2019 teo. Mampametra-panontaniana koa ny antony nanenana 44% ny famatsiam-bola ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na PAC. Lasa 3,9 miliara ariary raha toa 7 miliara teo aloha. Mampametra-panontaniana hatramin’izao ny tena andraikitry ny fitsarana avo (HCJ) sy ny fitsarana manokana momba ny andramena sy hazo sarobidy ary fahefatra moa dia tsy mazava koa ireo paikady hiadiana amin’izany kolikoly izany ho an’ireo rafitra hanaraha-maso ny volam-panjakana, raha ny nambaran’ny Rohy hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT