Hatezerana no nandraisan’ny vahoaka any Vatovavy Fitovinany, sy iny faritra Atsimo Atsinanana iny ny fijoroan’ny governemanta
Mahafaly Olivier, indrindra tamin’ny nanilihana ny zanak’i Vatovavy Fitovinany tsy ho anisan’ny mpikambana ao anatin’io governemanta fahatelon’ny Fitondrana Rajaonarimampianina io. Nivantana ny tenin’ny solombavambahoakan’i Vohipeno, Tsabotokay Honoré fa « famakiana ady aminay « sud est » » izao tranga izao. Mametra-panontaniana ireo mpanao politika zanak’iny faritra Vatovavy Fitovinany iny ny antony nanilihana ny zanaky ny Faritra tsy ho ao anaty governemanta, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’ity Madagasikara ity. Ho an’i Vatovavy Fitovinany manokana dia nanana minisitra roa tao amin’ny Ravelonarivo dia Ralava Beboarimisa, minisitry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny ékôlôjia, sy Ramparany Anthelme, minisitry ny fiompiana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.