Maro ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tao anatin’izay 9 volana niverenan’i Madagasikara ao anatin’ny rafitra manaraka ny Lalàmpanorenana izay. Teo ny fianianana mirakitra fampanantenana mipoapoaka nataon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny 25 janoary 2014.
Voatendry ihany ny praiminisitra rehefa niteraka adihevitra be ny andininy faha-54-n’ny Lalàna fototra tsy nampitovy hevitra ireo hery politika mpifanandrina. Nitety ireo vazantany efatra ny filoham-pirenena niezaka nandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hamatsy vola ho fanarenana ny lafiny ara-toekarena sy sosialim-bahoaka potiky ny krizy lavareny niniana novolena tao anatin’ny 5 taona hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Fanampiana izay mijanona ho tonom-bola aloha hatreto eo am-piandrasana ny finiavan’ny mpitondra fanjakana hanaja ny teny nomeny teo anoloan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa sy ny fanatanterahana ireo fepetra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Marefo tanteraka ilay fahefam-panjakana nampindramin’ny olom-pirenena ireo olom-boafidy manoloana ireo olana isan-karazany tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Kihon-dalana farany mety hampiova ny raharaham-pirenena mankany amin’ny tsaratsara kokoa anefa ity telovolana hitsahintsika ity raha manova fomba fijery sy famindra ny mpitondra fanjakana. Asa mivaingana andrasan’ny sarambabem-bahoaka, ohatra, ny famahana ireo olana ara-tsosialy mahakasika ny fiainana andavanandro. Ny mpamatsy vola mpiara-miombon’antoka indray mitaky tsy misy hatak’andro ny fampiharana manontolo ny tondrozotra nifanarahan’ireo mpanao politika malagasy teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tena safidy manadala ho an’ny mpitondra tokoa saingy lalana tsy maintsy hizorana hivoahana amin’ny fahasahiranan’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.