Actualités

Fitomboan’ny tsy fandriampahalemana Mahatsara ny tsenan’ny « caméra de surveillance »


  • Zoma 22 Martsa 2019

Tsara ny tsena ! Io no filazan’ireo mpivarotra «caméra de surveillance» izay tojo ny mpanao gazetinay teto an-drenivohitra.

 

 

 Noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana tato ato dia niantsampy tamin’ireo fitiliana fihetsika amin’ny alalan’ny haitao avo lenta ny ankamaroan’ny mponin’Antananarivo tato ato. Raha ny filazan’ireo mpivarotra anefa, tsy ny mponina amin’ny Tanandehibe ihany no niantefa tamin’ity fitaovana ity fa hatramin’ireo any ambanivohitra izay mampiasa ny rian’aratra avy amin’ny angovo azo avaozina. Amin’ny fotoanan’ny maty jiro matetika koa moa no manararaotra ireo malaso ka misy amin’ireo tranom-barotra no efa nanao safiotra ny loharanon’angovony izay tsy miantehitra amin’ny Jirama ihany fa avy amin’ny giropy na herinaratra azo avy amin’ny rivotra na ny masoandro. « Efa misy « thérmosta » miaraka aminy ireo kojakojan’ny «caméra de surveillance» ka vao tongan y delestazy dia ao amin’ny vatoaratry ny takelaky ny masoandro indray no minono rian’aratra ilay fitaovam-pitiliana fihetsika, na avy amin’ny loharanon’herinaratra hafa toy ny « éolienne » na « groupe électrogène ». Ankoatran’io volazan’ny mpivarotra iray eo Behoririka io. Saika mitovy avokoa ny vidin’izy ireny na eny Tsaralalana, na Analakely, na Antanimena. Ho an’ny “camera de surveillance” mampiasa fitiliana efatra dia eo amin’ny 1.700.000 ariary eo miaraka amin’ny kojakoja rehetra ilaina sy ny fitehirizana 1 To (1 Tera octets) izay mahatahiry sary mandritra ny iray volana. Saika misy fiantohana enim-bolana avokoa ny tranom-barotra ary izy ireo no miantoka ny fametahana izany. Ny faharetan’ny fametrahana azy koas dia miankina amin’ny toerana. Raha ny filazan’ireo mpivarotra, ankoatra ireo orinasa na tranombarotra na andrim-panjakana, saika camera 4 ka hatramin’ny 8 hatrany no alain’ireo tokatrano tsotra mividy izany. Ny olana amin’izy ity dia ho amin’ny famotorana sy ny fanadihadiana no miasa aorian’ny fanafiahana mitam-piadiana izay efa nisy maratra na nindaosin’ny fahafatesana fa tsy maharo ny basy ihany koa. Matetika ireny camera de surveillance ireny no jokoin’ny jiolahy mialoha ihany koa raha mampatsiahy ny fanafiahana ilay “Gastro Pizza” teo amin’ny By Pass. Ny ankamaroan’ny tokantrano mampiasa azy tonga dia mampivady azy amin’ny fanairana mba hampamailo ny tokatrano voatafika.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT