Actualités

Fitokonana etsy sy eroa Mila mpamaha olana mahira-tsaina


  • Zoma 05 Aprily 2019

Mikatso tanteraka indray ny fampianarana ambaratonga ambony eny amin’ny oniversiten’Antananarivo noho ny fanamafisan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES) sampana Antananarivo ny fitakiana.

 

 

 

Tsy nahomby ny dinika samihafa tamin’ny ankapobeny matoa tsy misy ny tena vahaolana mazava sy mafonja, ka nisafidianan’ny SECES hanamafy tanteraka ny fitakiana amin’ny alalan’ny fampikatsoana ny asa. Ambaran’ity sendika ity fa tsy ampy ny mpampianatra sy mpikaroka, kanefa tsy misy ny fandraisana vaovao. Ireo am-perinasa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny minisiteran'ny toekarena sy vola ary ny tetibola. Ireo Zokiolona manana traikefa tsy avela hanohy satria nofoanana ny ''maintien en activité'' ny mpandimby anefa tsy misy.  Tsy ilaozan’olona ny oniversitem-panjakana, indrindra fa ny eny Ankatso fa anisan’ny laza sy hahafantaran’ny besinimaro azy ny resaka grevy, ka zary hanihany fa tsy hivaha mandraizay mihitsy angamba io. Ny politikan’ny fampianarana ambony ara-panjakana eto mihitsy no toa anjorom-bala, ka tsy atao mahagaga raha mitotongana fari-pahaizan’ny tanora. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny eto, fa toa misy olana avokoa ireo sampandraharaham-panjakana, ny orinasam-panjakana sokajiana ho aim-pirenena, ny fampianarana ambony,… Mitokona ny mpiasan’ny fananan-tany satria mifampidrikina amin’ny fanjakana amin’ny tokony hamoahana ny namany nampidirina am-ponja vonjimaika. Misy olana ny tontolon’ny fitsarana satria nitory noho ny fampiatoana azy ny mpitsara 4 tao Toamasina noho ny famoahana an’i Hajanirina Manantena Dina, izay voarohirohy tamina raharaha fakana an-keriny. Lasa resaky ny moana sy ny marenina satria ny minisitry fitsarana dia milaza eo anatrehan’ireny fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Ny lehibe no miady ka ny vahoaka no mizaka ny ngidiny. Mila mpamaha olana tsy badraodra ary tena mahira-tsaina eo anatrehan’ny olana samihafa mikiky ny firenena.

 

 

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT