Actualités

Fitokonan’ny mpiraki-draharaha Mizarazara ny hevitra


  • Talata 12 Aprily 2016

Nizara roa ny hevitry ny mpiraki-draharaha momba ilay fitokonana faobe natomboka omaly.

Ireo izay miara-dia amin’ny sendika dia nijanona tsy niasa tokoa ary tsy nanao na ny asa kely indrindra aza. Tany amin’ny faritany dia maro ihany koa ireo mpiraki-draharaha tsy niasa toy ny ampahany teto Antananarivo. Tetsy an-kilany, nisy ihany ireo izay nanao ny asany andavanandro ka ireo lehibe no nitarika izany. « Efa an-dalana amin’ny fitadiavana vahaolana ny fitondram-panjakana ka tsy misy antony tokony hitokonana intsony fa mampijaly vahoaka fotsiny », hoy ny nambaran’ny solontenan’ireo mpiraki-draharaha niasa. Ho an’ireo miara-dalana amin’ny sendika kosa dia mbola hihamafy ny fitakiana mandrapahazo ny valiny mahafa-po, hoy Rabenandrasana Nicole, filoha mpitarika sendikaly ny mpiraki-draharaha. Tamin’ny alalan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana Atoa Rasiviarison Félicien no nanentana ireo mpiasa hiverina hamonjy ny asany ny fanjakana izay nampanantena fa efa mikaroka vahaolana manoloana ny fitakian’ny mpiraki-draharaha sy ny mpiandry fonja izay mitokona ihany koa ankehitriny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT