Ny loharanon’i Mangarangarana no notarihina hamatsiana ny kaominina Tanambe. Fokotany dimy izay misy mponina 22 000 no heverina fa hisitraka io rano fisotro madio io.
11 km sy 500 m miala ny renivohitry ny kaominina no misy ny loharano. Mahatratra 41 ireo paompy naorina hamatsiana rano fisotro ny kaominina Tanambe. Mandalo ao amin’ny kaominina Beanana ny fantsona hitarihana ny rano vao tonga any Tanambe. Naneho ny hatezerany ny olona sasany ka nanapaka ilay fantsona fitarihan-drano. Iray tamin’ireo paompy izay naorina ihany hatreto no mandeha ka nahafahan’ny filoha nanao ny fitsidihana.Vokany, tsy tontosa ny fitokanana izay saika hatao fa navadika ho fitsidihana fotsiny ihany. Tezitra ny filoha ka nampitandrina ireo nanimba ilay fotodrafitrasa. Nanentana ny fokonolona koa ny tenany mba hiaro ireny fotodrafitrasa iombonana ireny ary hampilaza ny mpitandro ny filaminana raha misy ireo mandika lalàna. Marihina fa mitentina 813 tapitrisa ariary ireo fotodrafitrasa saika hotokanana ireo.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.