Taorian’ny faneken’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hanomezana anarana ny lalana miainga eo Pulman Ivandry,
ka hatreny amin’ny tambohon’ny kianjan’ Alarobia ho lalana Profesora Zafy Albert dia niara-nanatanteraka fanadiovana faobe teny ny ekipa teknika sy ireo tompon’andraikitra heverina ho tandrify izany. Fanadiovana ny arabe, fandraofana fasika miangona eny amoron-dalana, fanapahana lobolobo sy bozaka ary fanadiovana ny tao an-tokotanin’ny villa Elisabeth, trano fonenan’ny Profesora Zafy Albert fahiny no tontosa omaly. Nisy ihany koa ny fanaovana “marquage au sol” nataon’ny avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana sy ny fivezivezena an-tanàn-dehibe (DTMU). Efa azo lazaina ho tomombana ny fanomanana ny fitokanana ny alarobia 24 jolay 2019 ho avy izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.