Nampisy resa-be ny fahavitsian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara tonga nanotrona ny fitokanana ny lalana Frankofonia “Rocade d’Andohatapena” na ilay lalana tafiditra amin’ireo tetikasa “Projet Présidentiel”.
Raha ny vaovao voaray avy amin’ireo depiote vitsivitsy sendra ny gazety Tia Tanindrazana, dia naniry mafy ry zareo ny hanotrona ity zava-bita lehibe eto amin’ny firenena ity saingy nifanindry tamin’ny “Séance de présentation du guide sur le projet de loi de reglement au parlement” nataon’ny “Cour de Compte” eny anivon’ny minisiteran’ny fitantanambola Malagasy teny Iavoloha tamin’io andro zoma io ny lanonana ka tsy nahafahan-dry zareo nihetsika. Anisan’ny zava-dehibe amin’ny raharaham-pirenena dinihan-dry zareo amin’izao fitaovam-pivoriana ara-potoana faharoa izao izany. Tsy afa-nanoatra izahay fa ny faladia tokana ny sampanana 7, hoy izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.