Actualités

Fitohasina sy Trano Koltoraly Malagasy Hanao taom-baovao eny Mahamasina


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Raikitra fa ny datin’ny 27 sy ny 28 martsa ho avy izao no hankalaza ny taom-baovao Malagasy ny Fitohasina sy ny trano koltoraly Malagasy.

 

Taom-baovao Malagasy fanarenan-kasina no lohahevitra, fikambanana izay tsiahivina fa tsy mankasitraka ny  fankalazana ilay taom-baovao Malagasy iray hatao ny volana septambra ho avy izao. Hiparitaka manerana ny Nosy io fankalazana io, raha ny fanazavan’ny mpikarakara omaly. Anisan’ireny ny ao Ambohibary Moramanga, ny ao Brickaville, ny ao Ambovombe … Tanjon’izy ireo ny hamerina ny hasin’i Madagasikara izay tena efa very tokoa, antony mampitotongana ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny ara-toekaren’ny firenena iray manontolo mihitsy. Hisy ny fampianarana ny tsirairay mikasika ireo karazana fomba tokony harahina mandritra ireo roa andro ireo, arahin’ny fankalazana ny fetin’ny taom-baovao izay hialohavan’ny fifamelan-keloka eo amin’ny tsirairay hitsenana ny taom-baovao feno fahasoavana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT