Anisan’ny tena mampitaraina ny maro, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao ny fitohanana eto an-drenivohitra. Nahita vahaolana amin’izany ny minisiteran’ny asa vaventy tarihin-dRoland Ratsiraka
Amin’ny alalan’ilay systeme “flyover” no hanatanterahany izany ka hametrahana ilay tetezana miantona hahafahan’ny fiara mandeha ihany koa. Amin’izao fiandohany izao dia eny Ankadimbahoaka, lalam-pirenena fahafito no hanatanterahana ny asa izay efa azo hatomboka sahady. Teratany vahiny izay efa manana traikefa manokana amin’izany no hanampy azy ireo. Nomarihin’ny minisitra fa vao hampahafantarina ny filoha ny fisian’ity tetikasa ity hamahana ny fitohanana eto an-drenivohitra. Mbola ilana fandinihana kosa ny etsy Ampasika sy Ambohibao satria mety hisy tranon’olona harodana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.