Ikarohana “hangar” na toerana hametrahana azy eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ireo fiaramanidina nohafaran’ny fanjakana ampiasain’ny Foloalindahy amin’izao fotoana izao.
Ny « hangar » an’ny Tiko Air, ipetrahan’ny fiaramanidina ATR 42 an’ny orinasa Tiko sy ny an’ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Madagasikara Airways no nisy iraka nijery teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady 30 jona 2019, raha ny vaovao azo. Mitady hevitra hahafahana manilika an’ireo ny fanjakana ve izany ny fanjakana hahafahana mampiditra ireo fiaramanidina nohafarany ? Raha miditra amin’ny resaka firehan-kevitra ara-politika rahateo mantsy, dia ny anaran’i Marc Ravalomanana no tonga ao an-tsaina raha vao resaka fananan’ny orinasa Tiko. Ho an’ny Madagascar Airways kosa dia mpandraharaha niara-dia tamin’ny fanjakana HVM no tompony. Lojika ny mety hisian’ny don-tandroka sy ny fikarohana hevitra hamelezana azy ireny, raha tarafina amin’ny gafy sy ny famotehana natao teto, raha tsy hilaza afa tsy ny tamin’ny raharaha 2009.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.