Mitsingerina indray
Fito taona lasa izay
Nisian’ilay gazety iray
Sahy nitsapa mahamay
Fito taona toy izao
Asa raha tadidinao
Tao anaty romoromo
No nasahiany nijoro
Io ilay gazetinao
Mbola tia ny taninao
Ary miady hatramin’izao
Ho an’ny fahafahanao
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.