Actualités

Fitiliana ny aretina SIDA Lasa mahasarika tanora marobe tokoa


  • Talata 08 Martsa 2016

Olona iray isaky ny dimy segondra no voan’ny areti-mandoza SIDA maneran-tany.

 

Tanora ny ankamaroan’ireo lasibatra eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 35 taona. Na izany aza, mbola misy voa ihany koa ireo efa voky taona manodidina ny 70 taona. Mba hampirisihana ny tanora hanao fitiliana ity areti-mandoza ity ary dia notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna nanomboka ny sabotsy teo ny hetsika mifandraika amin’izany niarahana tamin’ny BMH Isotry. Nahasarika olona marobe tokoa izy ity satria dia am-polony maro isan’andro no tonga teny an-toerana. Mbola nitohy hatramin’ny omaly ny hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy sady hanampiana ny rehetra hahalala ny toe-pahasalamany ihany koa.  Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanalana nify maimaimpoana, ny fitiliana ny areti-maso katarakta niarahana tamin’ny Lion’s club…Diabe miainga avy eny Mahamasina mihazo an’Analakely no hisantarana izany anio talata, hetsika efa nosantarin’ireo vehivavy mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny asa fanadiovana faobe omaly, notarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT