Hita teo anivon’ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera samihafa, hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, ny fitifirana sy fanenjehana olona saika hanao heloka.
Marihina fa samy fehezin’ny lalàna ny rehetra ary marina fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana ary antony hanakaramana sy hamatsian’ny fitondram-panjakana fitaovana azy izany. Tsy mora sy mihatra aman’aina ny asany. Misy foana anefa ny apetraky ny lalàna na ny « présomption d’innocence » izay midika fa tokony hotsaraina sy saziana izy raha meloka ary misy koa fepetra amoahana azy raha tsy izay. Eo koa ny atao hoe fanajana ny zon’olombelona. Tokony hisy fanadihadiana misokatra atao fantatry ny vahoaka malagasy foana amin’ny toe-javatra toy ireny ary tsy vao tranga androany io fa efa nisy ny raharaha Antsakabary sy ny fanafoanana rafitra na « unité spécialisé », ohatra, hoy izy, vokatr’izany. Raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala, kosa dia mbola heverina ho tahaka ny tsy diso ny olona iray rehefa tsy misy didim-pitsarana mahazo azy. Na ho an’ireo firenena mbola mampihatra ny fanamelohana ho faty aza dia mbola mampihatra io resaka « présomption d’innocence » io. Misambotra sy manao fanadihadiana ary mandefa any amin’ny fitsarana no azo atao ary ny eto amintsika satria efa nifanaraka tamin’ny firenena mikambana isika fa hanafoana ny fanamelohana ho faty dia fanagadrana mandra-pahafaty, hoy izy, no nanoloana azy fa tsy famonoana mivantana. Fahadisoana hatrany kosa, hoy izy, ny famonoana olona. Ary amin’ny tranga toy ireny nisy teny Ampefiloha ireny aza dia mbola lanjaina koa hoe fitaovam-piadian’iza no nahery vaika. Iombonan’izy mirahalahy ireto moa fa misy ny sazy natokana ihany koa ho an’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy ary arakaraka ny haben’ilay hadisoana no hanasokajiana azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.